Mahaleo Lyrics
"Paiso Rà-kena"

/ 5
0 reviewers
Do you like this song?
(click stars to rate)
save!
my lyricsbox
Vokatra ny paiso rà -kena
Mirehitra ireo hazo mivoara mena
Ao avaratry ny labatoara
Mihintsana ireo masaka

Alakamisy ariva tsy fianarana
Nifampitanana izahay roa lahy
Ho any avaratry ny labatoara
Angalatra ireo paiso rà -kena

[Chorus:]
Menamena
Asa rah tadidin'ialahy
Menamena
Ny lokon'ireo fahatsiarovana

[Chorus]

Rehefa tonga eny ambony paiso
Hidina ny varavarana
Manasaraka ny ambony sy ny ambany
Ny lanitra amin'ny tany

Ny lanitra azo tsapaina tanana
Ny papango nanjary namana
Ny vavanay roalahy amin'izay
Boba rà amin'ireo paiso rà -kena

[Chorus]

Indray alakamisy izy tsy tonga
Fa lasa nifindra lavitra
Sendra hariva mena masoandro
Noheveriko fa fara andro

Nody aho tsy sahy nangala-paiso
Nifampitantana aho sy ny alaeloko
Ao avaratry ny labatoara
Mihintsana ireo fahatsiarovana

Rehefa lehibe hamboly paiso
Ny tokotaniko hofenoiko
Rehefa vokatra ireo paiso rà -kena
Ho avy ireo ankizy hangalatra